<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Miainga, ry fo ny saina FFPM116</title>
<lyrics>[V1]
 Miaingà, ry fo sy saina,
 Mba ho any Golgota,
 Maty tao ny Tompon'aina,
 Vita tao ny avotra.
 Ry mahantra, ry mania,
 Sady raiki-tahotra,
 Ny Mpamonjy be fitia
 Hahitanao avotra !

[V2]
 Fa ny ainao ry Mpamonjy,
 Nisoloanao anay
 Hahazoanay ny vonjy
 Sy hahafa-trosa anay !
 Vatofantsiky ny aiko,
 Hianao, Mpamonjy ô !
 Ravoravo izao ny saiko
 Afakao ny heloko !

[V3]
 Ny manjo atý an-tany,
 Tsy mba hatahorako,
 Fa izaho dia ho any
 Amin'ny Mpanavotro,
 Tombon-dahiko tokoa
 Ny fahafatesana,
 Hahatrarako ny soa,
 Dia ny fiainana !</lyrics>
<hymn_number>116</hymn_number>
<author>J.A. Freylinghausen</author>
</song>